LIENS UTILES





𝐃𝐑𝐂𝐅 𝐈𝐓𝐀𝐒𝐘 - 𝐂𝐥𝐮𝐛 Ré𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐆𝐞𝐬𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐏𝐮𝐛𝐥𝐢𝐪𝐮𝐞 (𝐂𝐑𝐆𝐏) - 𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐌-𝐁𝐎𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐍𝐉𝐀𝐊𝐀𝐍𝐀



Toy ny mahazatra dia nandray anjara tamin'ny fihaonana fanao isan-telovolana miaraka amin’ireo mpisehatra eo amin'ny fitantanam-bolam-panjakana any amin’ny Faritra ny avy ao amin’ny Délégation Régionale du Contrôle Financier #DRCF_ITASY, izay tarihin'ny delegem-paritra Ramatoa RASOAMANANJARA Zoely Harilala. Ny alakamisy 14 septambra 2023 teo moa no nanatanterahana izany tao amin'ny Tranompokonolona Miarinarivo


Mba tsy hisian'ny fandavana ireo taratasy filana raharaha tonga eny anivon'ny DRCF izay tantanany dia anisan'ny navoitran'i Ramatoa delegem-paritry ny 'Contrôle Financier' nandritra io fotoana io ny fanentanana ireo mpisehatra ny mba hanajana ireo toromarika samihafa mahakasika ny fitantanana ny volam-panjakana. Nasongadiny manokana ny mahakasika ny fifanaraham-barotram-panjakana


Marihina fa ny volana jolay 2023 teo no voatendry hitantana ny DRCF Itasy Ramatoa RASOAMANANJARA Zoely Harilala. Amin'ny maha delegem-paritra vaovao azy dia nizara tamin'ireo mpandray anjara ny fomba fiasa vaovao eo anivon'ny DRCF Itasy izy mba hanafainganana hatrany ny fanomezana fankatoavana ireo antotan-taratasy fangatahana tonga eny anivon'izy ireo.


Nanantitra hatrany moa izy ny fisokafan'ny fiaraha-miasa feno miaraka amin'ireo 'mpisehatra mikasika ny fitantanam-bolam-panjakana‘ rehetra any amin'ny faritra, satria ny DGCF dia mpanara-maso ary indrindra ihany koa mpanolotsaina amin’ny lafin'ny famoahana sy fitantanana ny volam-panjakana.