SNISE EN LIGNE: conçu pour le suivi et l'évaluation des programmes du Gouvernement

Cours de Change
Statistique visiteurs
Nb Visiteurs
Total 19510

Date de mise en ligne 25 Sept. 2020

FIHAONAMBEM-PARITRA MAHAKASIKA NY FAHASALAMANA SY FIAHIANA

NY VIAVY SY NY ZAMADINIKA AZO AVY AMIN’NY FIOVAN’NY FIRAFITRY NY MPONINA

     Ny 8 sy 9 desambra 2022 eto amin’ny faritra Atsinanana, ny Foibem-pitondrana Ankapoben’ny Toekarena sy ny Teti-pivoarana eo anivon’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola tohanan’ny UNFPA dia manantanteraka fihaonambem-paritra mandritry ny roa andro ao amin’ny trano fivorian’ny « Service Régional du Budget Toamasina ». « Fihaonambem-paritra mahakasika ny Fahasalamana sy Fiahiana ny Viavy sy ny Zamadinika azo avy amin’ny Fiovan’ny Firafitry ny mponina » no lohahevitra nosafidiana amin’izany.

     Ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola sy ny Ekipa misahana ny Tombony azo avy amin’ny Fiovan’ny Firafitry ny mponina no mikarakaka izao hetsika izao. Maro ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo Ministera voakasika mandrafitra io Ekipa io. Fa mandritra ity fihaonambem-paritra aty amin’ny faritra Atsinanana ity, dia ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampiroboroboana ny Vehivavy, ny Marie Stopes Madagascar, ny Wish 2 Action no miara-misalaha amin’ny MEF amin’ny fanatontosana izao hetsika izao.

     Natao izao mba ahafahana mampahafantatra sy mandresy lahatra ny mponina aty amin’ny Faritra Atsinanana mahakasika ny fandrindrana ny fiterahana sy ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Izany hoe:

  • Fanaparitahana ny rakitra ofisialy momba ny tombony azo avy amin’ny fiovan’ny firafitry  ny mponina ;
  • Fanomezana torohevitra sy tolotra momba ny zon'ny vehivavy sy ny zaza ary ny fahasalaman'ny  reny ;
  • Fahatrarana ny fiovana eo amin'ny fitondran-tenan'ny mponina manoloana ny fanao manimba mifandray amin'ny fahazarana sy ny fomba amam-panao.

   

     Mba ahatratrarana ireo tanjona ireo dia manantanteraka famelabelarana mahakasika ny Tombony azo avy amin’ny Fiovan’ny Firafitry ny mponina ireo Ministera voakasika, ireo Manampahefana eto amin’ny faritra Atsinanana, ireo Mpitondra fivavahana sy ireo Tangalamena eto an-toerana. Misy ihany koa ny trano eva izay manome fizahana maimaimpoana mahakasika ny fandrindrana ny fiterahana sy manome torohevitra maimaimpoana mahakasika ny herisetra mianjady amin’ny viavy sy ny zamadinika.

     Marihana fa ny Faritra Atsinanana dia tanan-dehibe ifamezivezen’ny olona maro isantsokajiny sy mbola anisan’ny faritra mitàna ny fomba amam-panao nentim-paharazana. Izany indrindra no antony ilaina ny fandresen-dahatra ny mpitondra fanjakàna, ny ray aman-dreny sy ny mpitondra fiangonana izay to teny eny anivon’ny fiaraha-monina.

     Naseho ara-pomba ofisialy ny Tondrozotran’ny Tombony azo avy amin’ny Fiovan’ny firafitry ny mponina ny 12 septambra 2019. Ny famolavolana izany dia mitaky fandaminana’asa tsara rafitra eo amin’ny samy ministera voakasika amin’ny alalan’ny asa fototra miisa 28. Manana drafitra ho an’ny fanatanterahana sy fanarahamaso ny asa ary drafitra mahakasika ny serasera io tondrozotra io.

     Tsara ny mahalala fa ny Tombony azo avy amin’ny Fiovan’ny Firafitry ny mponina dia anisan’ny mitondra ho any amin’ny fivoarana aingana ara-toekarena, avy amin’ny fiampitan’ny taham-pahaterahana sy taham-pahafatesana ambony ho any amin'ny taham-pahaterahana sy taham-pahafatesana ambany. Ankotr’izay, ny tanora no maro an’isa amin’ny mponina eto Madagasikara. Arak’izany, tombony lehibe ho an’ny firenentsika ny mitrandraka izany zavamisy izany dieny izao mba ahatrarana ny fiovan’ny firafitry ny mponina.

Texte et photos: Communication de la DGEP/MEF/ 08 décembre 2022

© Copyright 2020