DIRECTION GENERALE




LIENS UTILES




ACTIVITES INTERNES


Agenda en PHP

Décembre : 2019
LunMarMerJeuVenSamDim
      1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
3031     



ANTANANARIVO

My-Meteo

13 SEPTEMBRE 2019 - Formation et recyclage des agents du Contrôle Financier sur les modalités de contrôle a priori et de contrôle a posteriori du service fait au CCI Ivato

11/11/19

Inspection Générale de l'Etat : Liste des candidats admissibles aux épreuves orales.


13/09/19

Formation et recyclage des Agents du Contrôle Financier sur les modalités de contrôle a priori ...


29/08/19

Ouverture Officielle du Guichet Unique des Marchés Publics


08/08/19

MEF - Fivoriana arak’asa notarihin’ny praiminisitra

25/07/19

Fikajiana sy fitandroana ny fandaniam-bolam-panjakana


23/07/19

Présentation de la synthèse de résultats des missions de contrôle a posteriori ...


05/04/19

Fihaonan’ny tale jeneralin’ny contrôle financier vaovao ...


05/04/19

Fihaonan’ny tale jeneralin’ny contrôle financier vaovao ...

01/04/19

Passation de service entre le DG sortant et le DG entrant


27/03/19

L’IGE Gilles RABEARINOSY, nommé nouveau Directeur Général de la DGCF


15/03/19

Décret n° 2019 - 313 portant nomination des délégués centraux et des ...


04/09/18

Asief 2018 - Section Football DGCF vice champion

02/07/18

Formation pour une meilleure gestion des finances publiques des EPN


05/07/18

Le seuil de tout engagement de dépenses non soumis au visa préalable du CF ...


08/03/18

Fankalazana ny andron’ny vehivavy


02/02/18

Asaramanitra 2018 – fihaonamben’ny mpiasa manerana an’i Madagasikara

12/01/18

MFB - asaramanitra sy fambolen-kazo


10/01/18

Androm-pirenena ho an’ny fanadiovana faobe


24/12/17

Lalao MFB National Championship 20 – 21 – 22 desambra 2017


16/10/17

Formation sur « Le contrôle de la gestion du personnel d’Etat »

16/11/17

Fifanakalozan-kevitra sy traikefa mikasika ny « contrôle a posteriori »


12/10/17

Fivorian’ny tale jeneralin’ny DGCF niaraka tamin’ireo delegem-paritra


09/10/17

Formation sur « La pratique de la comptabilité des matières »


29/09/17

Renforcement des capacités du personnel de la DGCF

06/10/17

Valan’aretina pesta – fandrarahana fanafody teto amin’ny DGCF Faravohitra


29/08/17

Renforcement des capacités du personnel de la DGCF


26/07/17

Des cadres du contrôle financier au Benin en mission ...


03/07/17

Fihaonamben’ny FIMFAV

19/06/17

Organes de contrôles des finances publiques OCFP : varavarana misokatra ...


15/05/17

Les agents du contrôle financier ont bénéficié d’une formation ...


13/04/17

Nomination de quatre (04) directeurs auprès de la DGCF ...


10/05/17

Décret n°2017-116 portant nomination des délégués centraux et des délégués ...

06/03/17

Fambolen-kazon’ny MFB       


27/02/17

CF - Fihaonamben’ny mpiara-miasa manerana an’i Madagasikara


02/01/17

Taona vaovao 2017- Fifampiarahabana tratry ny taona


21/11/16

Renforcement des capacités dans le cadre de l’initiative à résultats rapides IRR4

MOT DU DIRECTEUR GENERAL


RABEARINOSY Gilles
Inspecteur Général d'Etat


   En tant que nouveau Directeur Général du Contrôle Financier, je voudrais insuffler d’une dynamique et d’une culture de résultats et de performance ainsi que d’une nouvelle vision du contrôle exercé par le Contrôle Financier par la mise en œuvre d’un contrôle axé sur les risques et enjeux financiers ayant un effet dissuasif.

 INFOS UTILES


INFOS EN LIGNE ...

DESAMBRA 2019 - FARITRA BOENY : Arina fandrehitra manodidina ny 1000 gony no avoakan’nyfikambanana GAR   |   DISTRIKAN’I MAHANORO : Mila taratasy ara-panjakana ny famoahana Lavanila

FARITRA BOENY : Arina fandrehitra manodidina ny 1000 gony no avoakan’nyfikambanana GAR

   Na eo aza ireo trangana doro tanety mahazo laka any amin’ny Faritra Boeny iny dia ezahina hatrany ny fitarihana ny tantsaha hamboly hazo, hanao taozavatra afaka mifandraika amin’ny tontolo iainana manodidina ka ahafahana mikajy izany.

   Toy ny ao amin’ny fokontany Ambalambakisiny, Kaominina Andranofasika Distrikan’ Ambato Boeny izao dia misy ny fambolen-kazo amina hektara maro manodidina ny 86 ha ataona mpikambana miisa 80 izay azo avadika ho arina fandrehitra avy eo ka mampidi-bola ny mponina. Anisany tohana goavana karakarain’ny tetik’asa fanamafisana ny fahaiza-manao iatrehana ny fiovan’ny toetr’andro PRCCC, ao anatin’ny fandaharanasa fanohanana ny fitantanana ny tontolo iainana PAGE izao ny fanohanana ny tantsaha ao anatin’ny fikambanana mpamboly hazo GAR Ezaka.

   Nanomboka tamin’ny taona 2009 ny mpikambana miisa 80 no nanomboka namboly hazo, ny taona 2016 kosa ny fanombohan’ny fanapahana hazo izay azo avadika ho arina. Ny karazan-kazo kininina no hazo fambolena ary mbola mandalo fikarakarana sy dingana maro izay vao azo avoaka amidy hatao fidiram-bolan’ny mpikambana. Tamin’ny voalohany namoahana ny vokatra dia voalaza fa manodidina ny 80 eo ho eo ny arina vita raha toa ka efa mahatratra 1000 mihitsy izany ankehitriny. Isaky ny enina taona no mahazo manapaka ala izy ireo ary manodidina ny 15000 ar ny vidin’ny arina iray gony .

Azo lazaina fa manampy betsaka ny fiharian’ny mponina izany ary efa samy manana ny anjara asany daholo ny mpikambana rehetra ka tsy dia mananosarotra intsony ny fiaraha-miasa ao anatin’ny dingana arahina mandrapaha tafavoaka ny vokatra, hoy ny Filohan’ny GAR Ezaka Andriamahatratra Falihery. Tsara hatrany moa ny manamarika fa tohana avy amin’ny PAGE/GIZ, vondrona Eoropeanina sy ny minisitera Federalin’ny fiaraha-amiasa ara-toekarena sy fampandrosoana Alemana na BMZ no mamatsy vola ny mponina ao anatin’izany rehetra izany.

Tatianà R.
www.inovaovao.com

DISTRIKAN’I MAHANORO : Mila taratasy ara-panjakana ny famoahana Lavanila

  Hentitra ny fandraisan’andraikitr’ireo manam-pahefana ao anatin’ny Distrikan’i Mahanoro eo amin’ny fiarovana ny fivoahan’ny vokatra lavanila.

   Tsy maintsy mahazo taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny tompon’andraikitra ao an-toerana vao mahazo mivoaka ao Mahanoro ity vokatra fanondrana ity, mba hisorohana ny lafiny tsy fandriam-pahalemana mifandraika amin’izany. Miara-misalahy amin’izay fikaroham-bahaolana izay ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany ao an-toerana miainga amin’ny lehiben’ny Fokontany hatrany amin’ny lehiben’ny Distrika.

   Ny faran’ny herinandro lasa teo no nivory ireo solontenam-panjakana ao Mahanoro, izay nahitana ny lehiben’ny Distrika sy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, ary ny Ben’ny tanàna. Nandray anjara feno tamin’ity fivoriana ity ihany koa ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny famokarana lavanila, toy ny mpamokatra sy ny mpandraharaha. Tapaka nandritra an’io fivoriana io fa tsy azo hatao intsony manomboka izao ny mitondra vokatra mivoaka ny tanàna raha tsy mahazo taratasy ara-dalàna avy amin’ny tompon’andraikitra.

   Fantatra fa saika alefa mankany amin’ny avaratry ny Nosy avokoa ny ankamaroan’ireo vokatra ao Mahanoro. “Ny zavatra tapaka eo amin’ny fiarovana ny fandriam-pahalemana ato anatin’ny Distrikan’i Mahanoro dia tsy mahazo atao fampivezivezy ny vokatra lavanila raha tsy mahazo taratasy avy amin’ny tompon’andraikitra satria betsaka amin’ny lavanila eto Mahanoro no entina any amin’ny faritra Avaratra”, hoy fanazavan’ny solombavambahoakan’i Mahanoro, Rakotoson Hubert.

   Ankoatra izay dia tapaka tao anatin’io fivoriana io ihany koa fa manana alalana afaka hisava an’izay olona mampiahiahy ny Ben’ny tanàna sy ny lehiben’ny Fokontany amin’ireo Kaominina miisa 11 mandrafitra ny Distrikan’i Mahanoro. “Nomen’ny lehiben’ny Distrika alalana ireo lehiben’ny Fokontany hampiasa ny bokim-bahiny hisava an’ireo olona izay mampiahiahy, ka hampahafantatra an’ireo tompon’andraiki-panjakana mba hahafahana mahalala ireo olona mangalatra lavanila sy mitondra ny entana tratra noentina an-tsokosoko eo anivon’ireo manam-pahefana.

   Tahaka izany ihany koa ny Ben’ny tanàna dia miara-misalahy amin’ny fiarovana ny vahoaka amin’izay resaka seha-pihariana lavanila izay”, hoy hatrany ny fanazavany.

   Efa saika misokatra amin’ny fomba ofisialy avokoa ny taom-piotazana lavanila amina Faritra maro manerana ny Nosy. Ny tsirairay dia samy mametraka lamina sy paikady avokoa eo amin’izay lafiny fiarovana ny tsy fandriam-pahalemana izay.

Avotra Isaorana
www.inovaovao.com