TAONA VAOVAO 2022 - FANATSARANA SY FANAFAINGANANA HATRANY NY FOMBA FIASA ETO AMIN'NY 'CONTROLE FINANCIER'
Tao anatin'ny fanajana tanteraka ireo sakana ara-pahasalamana manankery no nanatanterahina ny zoma 7 janoary 2022 teto amin'ny foiben'ny 'Contrôle Financier' eto Faravohitra ny fihaonan'Andriamatoa RASAHAVELO, Tale Jeneralin'ny 'Contrôle Financier', tamin'ireo Inspecteurs d'Etat sy ireo solontenan'ny mpiasa avy amin'ireo delegasionina sy sampandraharaha eto anivony, ka nizarany ny toromarika sy ny lamin'asa ho amin'ity taona 2022 ity.
Nisongadina tamin'izany ny nampahafantaran’Andriamatoa Tale Jeneraly ireo programan'asa ankapobeny, singanina manokana ny vina hanatanterahina fanaraha-maso aty aoriana na ny 'Contrôle a Posteriori’ andiany iray (1) isa-telovolana. Anisan'ireo toromarika nohamafisiny tamin'ireo mpiaramiasa aminy nandritra io fotoana io ihany koa ny tokony hanatsarana sy hanafainganana hatrany ny fomba fiasa mba tena hitondra vokatra azo tsapain-tanana amin'ny fampandrosoana ny firenena ny asan'ny 'Contrôle Financier'. Mifandraika indrindra moa izany amin'ny teny filamatra vaovao noraisina dia ny ' CONTROLE FINANCIER POUR LE DEVELOPPEMENT'