Ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola sy ny Foibem-pitantanana misahana ny Fanaraha-maso ny Volam-panjakana (Direction Générale du Contrôle Financier) dia miondrika am-panajana eo anatrehan'ny fahalasan'i IGE RANDRIAMANANA Jean de Dieu ny Zoma 22 oktobra 2021.
Filohan'ny fikambanan'ny Inspecteurs d'Etat eto Madagasikara ary nisahana ny andraikitra maha Delegen'ny Contrôle Financier eo anivon'ny 'Ministère de l'Enseignement Supérieur et de la Recherche Scientifique' (MESUPRES) sy ny 'Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l'Etat de Droit' (HCDDED) izy izao nindaosin'ny fahafatesana izao.
Miara miombon'alahelo amin'ny fianakaviany ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola sy ny mpiara-miasa rehetra eto amin'ny Direction Générale du Contrôle Financier.