FIFANINANANA HANDRAISANA MPIASAM-PANJAKANA SOKAJY 'E.F.A' MIISA 20
Nizotra am-pilaminana ny fifaninanana handraisana mpiasam-panjakana sokajy 'E.F.A' miisa 20 nokarakarain'ny avy eto anivon’ny 'Contrôle Financier'.
Fifaninanana izay notanterahina ny alakamisy 14 oktobra sy ny zoma 15 oktobra 2021 teo manerana ny renivohim-paritany enina (6).
Marihina fa enimpolo sy sivin-jato (960) ireo mpifaninana manerana an'i Madagasikara nahafeno ny antontan-taratasy sy ny fepetra rehetra napetraka ka nahazo alalana handray anjara tamin'ity fifaninanana ity.
Hisahana ny asa fanaraha-maso na 'vérificateur' ireo mpiasam-panjakana sokajy E.F.A miisa roapolo (20) ho raisina ka ny efatra (04) amin'izy ireo dia ho voatendry hiasa any amin'ny 'Contrôle Financier' faritra Anosy, ny dimy (05) any amin'ny faritra Androy, ny telo (03) any amin'ny faritra Atsimo Atsinanana, ny enina (06) any amin'ny faritra Vatovavy ary ny roa (02) kosa any amin'ny faritra Menabe.
