Notanterahina ny zoma 24 febroary lasa teo ny fihaonana fifampiarahabana traty ny taona sy ny fiaraha-mikorana niarahan’ ny mpiara-miasa manerana an’i Madagasikara avy eto amin’ny Contrôle Financier.
Ankoatry ny maha lanonana ny fotoana, dia natao tamin’io andro io ihany koa ny fanolorana :
- ireo Inspecteurs d’Etat vaovao miasa eto anivon’ny Direction Générale du Contrôle Financier ;
- ireo Délégués avy eto Antananarivo sy avy any amin’ny faritra araky ny fanendrena vaovao, ary ny mpiara-miasa avy ao amin’ny delegasiona tsirairay avy.
Tsy adino nandritra izany fotoana izany moa ny fanolorana mari-pankasitrahana sy fisaorana ireo mpiara-miasa 7 nandeha nisotro ronono.
Ny Tale Jeneralin'ny Contrôle Financier sy ireo solontenan'ny mpiasa avy eto Antananarivo sy avy any amin'ny faritra nandritra ny lahateny fifampiarahabana sy firariantsoa
Fanolorana mari-pankasitrahana sy fisaorana ireo mpiara-miasa handeha hisotro rononoFanokafana ny lanonana tamin'ny "afindrafindrao"Ireo mpiara-miasa nifaly sy nikorana nandritra ny fihaonana