FANANGANANA NY TRANOBEN’NY TOE-KARENA SY NY FITANTANAM-BOLA AO TAOLAGNARO,
Anisan’ny hisitraka fanamboarana tranoben’ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola ny ao Taolagnaro manomboka ity taona ity ka hitohy amin’ny taona 2021. Efa nanana tany hanaovana izany moa ny Minisitera fa araky ny tapaka niarahana tamin’ Andriamatoa Praiministra Christian NTSAY dia ho ampiarahana amin’ny fotodrafitrasa rehetra ho atsangana eny amin’ny « tanàna vaovao – nouvelle ville » ilay tranobe. Hifindra eny noho izany ilay toerana ka nanolotra tany ho amin’izany ny Governoran’ny Faritra. Efa tazana manomboka ao an-toerana rahateo ny fanamboarana làlana pavé manokatra mankany amin’ilay toerana vaovao.
Ny talata 08 desambra 2020 dia niaraka nidina ifotony nijery ny toerana ny Governoran’ny Faritra, Andriamatoa HATREFINDRAZANA Jerry sy Ramatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisitera Rindra Hasimbelo RABARINIRINARISON, niaraka tamin’ireo sampan-draharaha rehetra ao Taolagnaro, ka anisan'izany ny avy eto amin'ny 'Contrôle Financier' tamin'ny alalan'ny Deleguem-paritra, Ramatoa RAKOTONDRAZAKA Nivo Lalaina. Hanomboka afaka andro vitsy araka izany ny fanamboarana.
Loharanom-baovao / Tranonkala Minisiteran'ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola
Ministère de l'Economie et des Finances (mef.gov.mg)