ACTUALITÉS DGCF ASARAMANITRA 2018 - FIHAONAMBEN'NY MPIASA MANERANA AN'I MADAGASIKARA Notanterahina ny Zoma 02 Febroary lasa teo ny lanonana fifampiarahabana noho ny nahatratrarana ny Taona Vaovao 2018 teto amin’ny "Contrôle Financier", izay niarahan’ ny mpiasa manerana an’i Madagasikara . Nandritra izany fotoana izany no: - nanolorana mari-pankasitrahana sy fisaorana ireo mpiara-miasa 15 nandeha nisotro ronono; - nandraisa-tanana ireo mpanao fanatanjahantena niaro ny voninahitrin’ny "Contrôle Financier" nandritra ny lalao MFB miara-misôma, izay notanterahina ny volana Desambra 2017; Nofaranana tamin'ny fiaraha-misakafo sy korana ny fotoana.