Fivorian’ny Tale Jeneralin’ny DGCF niaraka tamin’ireo delegem-paritra.
Nisy ny fivorian’ ny Tale Jeneralin’ny DGCF, Andriamatoa Bien Aimé RAOELIJAONA, niaraka tamin’ireo delegem-paritra miasa eto amin’ny DGCF manerana an’ i Madagasikara tao amin’ny birao foiben’ny DGCF ao Faravohitra, ny alakamisy 12 sy zoma 13 oktobra 2017 lasa teo.
Nandritra izany fotoana izany no nanatanterahin’ireo delegem-paritra ireo ny tatitra momba ny asa sy ny zava-misy any amin’ny faritra iadidiany tsirairay avy tamin’ny Tale Jeneraly.
Tetsy an-daniny ny Tale Jeneralin’ny DGCF dia nizara tamin’ izy ireo ny vaovao samihafa mahakasika indrindra ny asa fanaraha-maso iandraiketan’ny DGCF.
Nisongadina tamin’izany ny fanamafisany ireo toro-marika momba ny « contrôle a posteriori» na ny fanaraha-maso aoriana.
Voaresany tamin’izany koa ny fampahafantarana ny « Manuel de procédures de sondage » sy ny ny vinavina momba ny « Référentiel de contrôle et d’audit de la Direction Générale du Contrôle Financier » izay efa eo andalam-pamolavolana.
Marihina fa dia nisy ny fotoana nahafahan’ireo delegem-paritra ireo niatrika fiofanana samihafa nandritra ireo fotoana ireo, singanina manokana amin’izany ny fiofanana momba ny « Modalités de contrôle des Etablissements Publics Nationaux ».