Organes de Contrôle des Finances Publiques (OCFP) : Nikarakara varavarana misokatra ny alakamisy 15 Jiona sy zoma 16 Jiona 2017 tao amin'ny Carlton Anosy.
« NY MPANARA-MASO NY FITANTANAM-BOLAM-BAHOAKA AKAIKIN’NY OLOM-PIRENENA » no lohahevitra noraisina tamin'izany.
Ankoatry ny trano heva nandraisan'ireo rafitra sy lamin’asa mpanara-maso miisa 8 mikambana ao amin'ny OCFP anjara, dia nisy ihany koa ny famelambelaran-kevitra sy adihevitra
niompana indrindra tamin'ny tamberin'andrikitra, ny andraikitra ary ny anjara birikin’ireo mpanara-maso amin'ny fampandrosoana ara-ekonomika sy sosialy.
An-tsary, ny avy eto amin'ny Direction Générale du Contrôle Financier , iray amin'ireo rafitra sy lamin’asa mpanara-maso mikambana ao amin'ny OCFP nandritra izany varavarana misokatra izany …….